<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P.P. Bliss</author>
<hymn_number>623</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mba omeo ahy
 Fo madio kokoa
 Afaka ahiahy
 Ho Anao tokoa
 Izaho dia malaina
 O ! Mba hafanao re,
 Mba hikely aina
 Hahefako be.

[V2]
 Mbola manangoly
 Ny fakampanahy ;
 Ao koa ny devoly
 Ta-hamotraka ahy ;
 Tompo ô ! ampio
 Ny mpanomponao izao,
 Ary mba tafio
 Herim-po vaovao.

[V3]
 Atolory ahy
 Zotom-po sy hery,
 Fahendrem-panahy,
 Fo mahay mietry.
 Ampianaro aho
 Mba hanolo-tena,
 Ka mba hatanjaho
 Ny finoako.

[V4]
 Dia hamasino
 Ny saiko, ry Tompo !
 Ka omeo fo mino,
 Fo mahay manompo,
 Fo mahay mihafy,
 Fo miravoravo,
 Na dia voa mafy,
 Fo toy ny Anao.</lyrics>
<title>Mba omeo ahy FFPM623</title>
</song>